Misy ny karazan'olona no tsy misy volo hatrany am-bohoka, mety noho ny olana eo amin'ny hodi-doha, ary mety ho tarazo. Ny aretina mety mahazo ny volo sy ny hodi-doha dia maro fa isan'ny be mpahafantatra ny fihitsanan'ny volo sy ny angadrano. Msy antony maro samihafa mety mahatonga ireny aretina ireny, ohatra ny fihitsanan'ny volo dia mety ho tsy fahampian'ny vy, mety ho vokatry ny aretina hafa diabeta na koho-davareny, metsy ho vokatry ny fikorontanan'ny tahan'ny tsiry mpanentana ihany koa na otrikaretina mahazo ny hodi-doha...
♦ Miroso amin'ny dingana manaraka amin'ny fanadiovana ireo volamena iray taonina mahery voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hananany lanja amin'ny fifanankalozana iraisam-pirenena isika Malagasy hoy ny ministry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena ara-stratejia... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany eto Madagasikara ny fampihatoan'i Indonezia ny fanondranana menaka. Tsy hatahorana ny mety tsy ho fahampiany hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny varotra... ♦ Saro-piharo amin'ny fizakan'ny malagasy ny taniny ny Tafi Mihaavo. Nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny ministera misahana ny fananan-tany izy ireo momba ilay lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany...
♦Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Vohipeno sy Farafangana omaly ny filoham-pirenena. Ho an'ny lalana ao Farafangana, volam-panjakana no nanaovana izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Nihaona tamin'ny mpikirakira lavanila maintso tany amin'ny faritr'i Sava ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tsy maintsy jerena ny tombotsoan'ny tantsaha mpamokatra hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... ♦ Harena ankibon'ny tany : hamerina an'ireo mpitrandraka madinika anatin'ny sehatra ara-dalana ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Mbola nampitandrina an'i Suede sy Filande amin'ny fikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Rosia...
Ny olona rehetra dia mitovy hasina, noho izy nohariana hitovy endrika aminy ary manahaka azy. Raha manan-kasina ny olombelona tsirairay eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy tokony hifanohitra amin'izany ny olona iray eo anatrehan'ny olombelona iray hafa. Noho ny fitovian-kasina dia tokony firahalahiana lalim-paka no misy eo amin'ny olombelona samy olombelona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco