Ny fibebahan'i Masindahy Paoly no ankalazaina ny 25 janoary. I Masindahy Paoly dia Jody avy amin'ny fokon'i Benjamina. Teraka tao Tarse (Cilicie), nifanerasera tamin'ny Grika ary niaina tao anatin'ny fanjakana romana. Tsy nianatra afa-tsy haisoratra izy tao amin'ny sekoly tao Tarse. Avy eo nankany Jerosalema nandranto fianarana tao amin'ny sekolin'i Gamaliel.

Maro ireo andram-piainana sy traik'efa mikasika ny vavaka niainan'ireo zoky ara-pinoana : tao ireo nanana faharetana tamin'ny zavatra madinika, isan'ireny Masimbavy Thérèse d'Avila, Masindahy Jean de la Croix, ary Masindahy Jean Bosco. Ny vavaka dia mampandroso ary maha olom-banona, miasa ao amin'ny vavaka ataontsiksa Andriamanitra... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Fanambin'ny ben'ny tanàna Harilala Ramanantsoa ny haha-môdely an'Antananarivo renivohitra, tontosa androany ny lanonana fametrahana azy tamin'ny fomba ôfisialy...
  • Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadintseranana isika teto Madagasikara androany...
  • Misy andro ratsy miisa 2 miforona ao amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara, any amin'ny Canal de Mozambique sy any amin'ny Ranomasimbe Indianina...
  • Manentana ny tompon'andraikitra amin'ny sekoly fampianarana mamily fiarakodia mba hanabe ny mpianatra amin'ny fanajàna ny lalàn'ny fifamoivoizana ny Papa François...

Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...