19 marsa — Ny Joseph tsaroana anio dia ilay ray mpitaiza an'i Jesoa. Tsy dia voatonona firy ny anarany ao amin'ny Baiboly, ny Evanjelin'i Masindahy Lioka sy Matio no miresaka azy rehefa milaza ny momba an'i Jesoa. Ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Marka dia tsy milaza hoe Joseph fa hoe mpandrafitra.

18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.

17 marsa — Ny Patrice na Patrick, resahana ny 17 marsa dia ilay nantosina hoe Apôstôlin'i Irlande. Teraka tao Boulogne-sur-Mer tamin'ny taona 373 i Patrice ary heverina fa zanaka anabavin'i Masindahy Martin de Tours izy.

16 marsa — I Masimbavy Bénédicte dia mpitoka-monina tao amin'ny fikambanana Clarisses, izany hoe mpanara-dia an'i Masimbavy Claire avy any Assise. Nanomboka ny taona 1214 izy no niditra tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Damien ao Assise.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...