18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.

16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647  izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.

15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.

14 desambra — I Masindahy Jean de la Croix resahana androany dia ilay avy ao amin'ny fikambanan'ny Carmes. Juan de Yepes Álvarez no anarany, teraka ny 24 jona 1542 izy, tao Frontiveros, Vieille-Castille, tanana anelanelan'i Salamanque sy Avila. Gonzalo de Yepes sy Catalina Álvarez no anaran'ny ray aman-dreniny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...