26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.

25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.

24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.

23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...