22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.

21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.

20 desambra — Miaramila niaina tany amn'ny taonjato fahatelo ity ankalazaina androany ity. Araka ny fitantaran'i Masindahy Denys d'Alexandrie dia niaro kristianina iray nomelohina ho faty i Masindahy Théophile, ary ny fijoroany amin'ny maha kristianina azy no nanavotra io lehilahy io.

19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...