01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny.
30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.
29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.
28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco