05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.

04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.

03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.

02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...