24 aogositra — Niaina niaraka tamin’i Jesoa i Barthélemy izay resahana amin’ity andro androany ity, na antsoina koa hoe Nathanaël. Ny Mpamonjy no niantso azy hanara-dia azy.

23 aogositra — Tera-tany espagnol i Rose, teraka ny taona 1586 tao Lima. Isabel Flores de Oliva no anarany, meva toy ny raozy izy ka izany no anaram-bositra nomen’ilay mpitaiza azy azy.

22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.

21 aogositra — Ny Victoire resahina dia i Victoire Rasoamanarivo, teraka ny taona 1848 tao amin’ny fari-bohitr’Andohalo Antananarivo i Victoire. Rambahinoro no reniny ary Randriantsilavo, manam-boninahitra efatra ambin’ny folo voninahitra ny rainy. Zafy kelin’i Rainiharo piraiminitra sy ny mpanjakavavy Ranavalona I izy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...