08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.
07 septambra — Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany izy no no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin’ny taona 252. Niandry ondry teo amin’ny tendrombohitr’i Auxois izy no saika ho viravirain’ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimban’io ny finoany.
06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.
05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco