01 nôvambra — Taloha dia tao aorian'ny fetin'ny Paka na ny alahady manaraka ny Pantekôty ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina rehetra. Tamin'ny taonjato fahadimy dia ny zoman'ny Paka no nankalazana izany tany Syrie, fa ny tany Roma kosa tamin'io vanim-potoana io dia nomarihana tamin'ny alahady ao aorian'ny Pantekôty.

31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.

29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...