09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.
08 nôvambra — Teraka tao Moulincourt, diôsezin'i Soissons i Geoffroy na i Godefroy. Fanta-daza tamin'ny hatsaram-panahy sy ny fitiava-namana ny fianakaviany, izay manam-boninahitra teo an-tanana ihany koa. Nanavotra fiangonana maro ny fianakaviany, ary saika hita hatrany izy ireo amin'ny fanaovana asa soa amin'ireo fadiranovana mila izany.
07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.
06 nôvambra — Niaina tany amin'ny taonjato fahenina tany ho any i Masindahy Léonard. Teraka tao amin'ny faritanin'i Gaule izy tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Anastase izay nanjaka tamin'ny taona 491 hatramin'ny taona 518. Miaramila manam-boninahitra tao amin'ny tafiky ny mpanjaka Clovis i Léonard.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco