31 aogositra — I Raymond Nonnat resahana amin’ity fanio ity indray dia teraka ny taona 1204 tao Portell tao Catalogne. Maty teo am-piterahana an’i Raymond ny reniny, ka izany no nahatonga ny anaram-bositra hoe Nonnat izany hoe "non natus" izay midika hoe tsy teraka.
31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.
30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.
29 aogositra — I Masindahy Joany Batista ilay resahana eto dia ilay mpialoha lalana sy nanao batemy an’i Jesoa. Raha iverenantsika kely ny fiainan’ity olomasina ity satria efa nisy fotana niresahantsika azy tamin’ny volana jona dia zanak’i Zacharie sy Elizabeth izy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco