♦ Mila hamafisina ny fihavanana sy ny firaisan-kinan'ny Malagasy manoloana ny toe-java-misy ankehitriny hoy ny Filohan'ireo Andrim-panjakana mpanao lalana... ♦ Nisy amin'ireo mpitatitra tao en-drenivohitra sy ny manodidina no tsy nanaraka ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy UCTS ny amin'ny hampiatoana ny fitaterana...

♦ Isan'ny hisondagina amin'ny fivorian'ny Antenimiera roa tonta ny fandinihana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisiana... ♦ Hatramin'ny omaly hariva, tsy nisy ny olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tsy nitovy hevitra amin'ny fampiatoana ny fitaterana ireo koperativa mivondrona ao amin'ny UCTS sy ny UCTU...

Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

♦ Nivoaka ny fonja ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa Vaovao... ♦ Miantso an'ireo kristianina sy ny mpitondra Fiangonana amin'ny faritra telo izay misy ny olona mitondra ny Coronavirus ny Filohan'ny FFKM mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana mba tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Mitaraina noho ny fisian'ireo Taxi-Moto sy ny fiara manao asan'ny Taxi ny filohan'ny FTAR...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...