♦ Hiaka-dapa indray anio ny parlemanta malagasy. Tsy eny Tsimbazaza fa etsy amin'ny Foibe fandraisana fivorian iraisam-pirenena no hanaovana ny lanonam-panokafana ho an'ny Solombavam-bahoaka... ♦ Mijanona ho 151 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara tamin'ireo fitiliana natao... ♦ Nampiato ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireny ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy ny UCTS nanomboka androany...

Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:

Talata 05 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko ; hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy

♦ Tsy nisy olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus androany raha ny vokatry ny fitiliana nataon'ny Institut Pasteur... ♦ Nihamafy nanomboka androany ny sazy nampiharina ho an'ireo tratra tsy mitondra aro-tava mandeha eny an-dalambe... ♦ Misy fiaramanidina iray sy sambo miisa telo, miaramila 200 efa hetsehin'ny Tafika Malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tanin'i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...