♦ Hiakatra fitsaràna eny amin'ny PAC 67Ha rahampitso ny raharaha Boeing 777 ka miisa 33 ireo olona voasaringotra amin'izany... ♦ Niala teto Madagasikara hihazo an'i New York, hanatrika ny fivoriana faha-81 an'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ny Delegasiôna malagasy tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Efa nisy ny fandraisana an-tanana ireo mararin'ny valanaretina miparitaka any amin'ny Distrikan'i Ifanadiana, indrindra ny ao amin'ny Kaominina Ampasinambo... ♦ Nohamafisin'ny ao Pékin, androany, ny hivahinihanan'ny filoha sinoa Xi Jinping any Etats-Unis amin'ity herinandro ity...
♦ Mankalaza ny faha-herintaonan'ny tolona natao ny volana septambra 2025, hisian'ny fiovàna eto amin'ny firenena ireo mpitolona nandray anjara. Tsy hita taratra ny fiovana herintaona aty aoriana hoy ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Hiompana amin'ny Fambolena sy ny Angovo ary ny fikarohana sy ny teknôlôjia ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Chine hoy ny Praiminisitra raha nigadona an-tanindrazana avy... ♦ Nanolotra soson-kevitra ho an'ireo olona very asa teny amin'ny fasan'ny karàna noho ny famindràna ny tobim-piantsonana ho eny Amoronankona ny Filohan'ny Fanavaozana...
.../… Niteraka fifandroritan-kevitra samy nanana ny azy teto amintsika ilay didim-panjakàna 2026-2100 nivoaka ny 31 Aogositra 2026 teo momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao. Toa ny sosoa notapohan-drano tokoa mantsy ireo tompon’andraikitry ny fampianarana amin’ny sekoly tsy miankina, fa tsy maintsy ampiharina amin’ity taom-pianarana ity izy io. Isan’izany ny fanafoanana ny Sokajy A Une, A 2, ny C sy D ho an’ny fanadinam-panjakàna bakalorea. Foana ihany koa ny sokajy A sy B ho an'ny fanadinana BEPC. Notapahana koa fa hisy amin’izay ny taranja anglisy ho an'ireo kilonga miatrika ny fanadinana CEPE manaraka eo...
• Natomboka androany teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, ny hetsika fanamarihana ny “Tsiahin'ny tolona 2025”, notarihin'izy telo mianadahy tao amin'ny Fikambanana Tsy manaiky lembenana... • Tsy mandà ny fanatsarana na ny fanovana ny fandaharam-pibeazana, Andriamatoa Manoro Régis, efa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, saingy ny fomba entina manatanteraka izany no tsy mety, ary tsy tokony hirotorotoana fa ilana fifampidinihana lalina izany... • Efa vonona tanteraka amin'ny seho an-tsehatra holalaovin'izy ireo eny amin'ny CC ESCA Antanimena rahampitso tolakandro, ny mpiasan'ny Radio Don Bosco...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco