♦ Hisy anio ny hetsika hataon'ny "Tsy manaiky lembenana" eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahin'ny tolona 2025... ♦ Niteraka resabe ary tsy nijanona teo amin'ireo mpitia baolina kitra ihany ny anarana iray amin'ireo mpilalao 25 mirahalahy handrafitra ny Barean'i Madagasikara... ♦ Misy valan'aretina tsy mbola fantatra anarana izay mamely ny olona ao amin'ny Kaominina telo anatin'ny Distrikan'i Ifanadiana, ankehitriny... ♦ Sahiran-tsaina amin'ny fahitàna fatim-behivavy misesisesy izay novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny ao Afrika-Atsimo...

♦ Tsy mety intsony ny rafitra Fanjakàna Tokana misy amin'izao fotoana izao hoy ny antoko SFDM fa mila hirosoana amin'izay ny Fanjakàna Isam-paritra. Iray ihany ny filoham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul ary ny Governora no mitantana ny Faritra tsirairay... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-4 any UNESCO momba ny Etikan'ny Saina Voatran'olombelona ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra... ♦ Maherin'ny 4.780.000 ny olona voasoratra anarana biômetrika nandritry ny hetsika andiany voalohany...

Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ An-jatony ireo tra-boina vokatry ny doro ala ao amin'ny distrikan'Antsiranana-II. Manodidina ny 50 ny trano rava. Nisesisesy ny doro ala tao anatin'io distrika io... ♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna. Mbola mampiasa ny entona manimba ny sosona mangeja hafanana ny 70% maherin'ny orinasa eto Madagasikara... ♦ Manentana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fanoratana anarana biômetrika amin'izao andiany faharoa izao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Fisoratana anarana nanomboka omaly hatramin'ny volana jolay 2027...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...