♦ Nampikorontana ny rehetra ny momba ny andro rahampitso, izay hahatsiarovana ny hetsika 25 septambra 2025. Niova andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ihany ny rahampitso, taorian'ny vaovao samihafa mifamahofao... ♦ Nandray fitenenana teo amin'ny Pilpiotran'ny Firenena Mikambana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny tolak'andro teo. Nataony tamin'ny teny Malagasy ranoray ny lahateniny... ♦ Misy indrokely ny resaka fidiovana sy fahadiovana eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona. Mitaraina ireo mpandeha mpampiasa ny toerana amin'ny tsy fahampian'ny trano fivoahana...

Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...

Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nanamafy ny toromarika h an'ny sekoly katôlika rehetra hanohy ny fandaharam-pianarana teo aloha ny DINEC. Efa misy ny dinika mandeha momba ilay fandaharam-pibeazana vaovao, hoy Mompera Jules Ranaivoson... ♦ Mbola fiangàna kely ho an'ny fanavaozana no vitan'ny fitondrana ankehitriny tao anatin'ny herin-taona izay, hoy Andriamatoa Alain Mahavimbina... ♦ Miantso ny hanomezana sehatra ireo manampahaizana amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Fikambanan'ireo mpiofana andiany voalohany nivoaka teo anivon'ny ENAM. Nikarakara famelabelarana momba izany izy ireo, omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...