♦ Nisy tamin'ireo ray aman-drenin'ireo mpifaninana izay efa afaka tamin'ny adina an-tsoratra teo amin'ny ENMG no nanao fanambarana androany. Mitaky ny tsy hanemorana ny adina am-bava... ♦ Natomboka ôfisialy teny Andohatapenaka, androany, ny hetsika fanadiovana ho an'ny boriboritany-VI ao Antananarivo-renivohitra. Nitarika izany Ramatoa Elisa Randrianirina, vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana... ♦ Efa dingana lehibe no vitan'ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao nataony tamin'ny sabotsy teo hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy. Mbola misy ihany anefa ny fanatsaràna tokony hatao amin'ny lalao rahampitso...
♦ Mila tefena handray andraikitra ho an'ny tenany, ny tokantranony, ny fiaraha-monina misy azy ary ny firenena ny tanora Malagasy hoy Andriamatoa Ranitratsilo Jimmy Ben'ny tanànan'ny Kaominina Bemasoandro... ♦ Nigadona any amin'ny Faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ny Caravane Humanitaire poste Gezani, hanomboka anio alatsinainy 30 marsa ny fizarana ireo fanampiana sahanin'ny Birao nasiônaly, misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC)... ♦ Nahazo famantsiam-bola vaovao maherin'ny 30 miliara Ariary ny faritra arovana eto Madagasikara hiarovana ny harena voajanahary ao aminy sy iahiana ny vondron'olona manodidina azy...
♦ Tolom-panafahana : fanavoazana ny fitiavan-tanindrazana. io no tara-kevitra nanamarihana ny faha-79 taona ny 29 marsa 1947... ♦ Tokony ho sahy hitaky onitra amin'ny Frantsay, amin'izay isika amin'izao fotoanan'ny fanavaozana izao hoy ny Kômity ho an'ny fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (K.FIM)... ♦ Mpianatra miisa 35 mianadahy no traboina vokatry ny fahamaizan'ny Bloc 51 trano hipetrahan'ny mpianatra eny Ankatso-II, omaly, alahady 29 marsa 2026... ♦ Naherin'ny 8 tapitrisa ireo amerikanina nidina an-dalambe tamin'ireo tanàn-dehibe tao Etats-Unis ny sabotsy lasa teo, manohitra ny pôlitika ny fifindramonina sy ny ady any Iran ataon'ny filoha Donald Trump...
--- Andro manan-danja amin’ny tantaran’i Madagasikara ny datin’ny 29 Mars 1947, izay nisian’ny tabataba tao Moramanga, Manakara ary teto Antananarivo. Feno 79 taona ankehitriny iny hetsika nanoheran’ireo bekotro maro holatra ny fanjanahan-tany iny. Ambadiky ny 29 marsa 1947 an-daniny ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo ankamaroany, fa ambadika koa tetsy an-kilany ny famadihana tanindrazana nataon’ireo sasany nila ranondranony tamin’ny voanjo. ny fanamarihana ny hetsika nanoherana ny fanandevozana tamin’ireo mpanjanatany. Raha ny ara-tantara dia naherin’ny 2 hetsy ireo Malagasy namoy ny ainy teo anelanelan’ny 29 Mars 1947 hatramin’ny volana Novambra 1948...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco