Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...

09 mey — Ny Pacôme resahina amin'ity androa ity dia ilay Pacôme teraka tamin'ny taona 292, tany Thébaïde. Mbola tsy kristianina ny ray aman-dreniny, ary tambanivohitra ihany koa nefa nanan-karena ihany. Nianatra namaky ny soratra copte i Pacôme.

Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...