♦ Niatrika fitsarana teny amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany teny Anosy, androany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. 10 taona an-tranomaizina, sazy miatra, asa an-terivozina no azony... ♦ Hanohana ny FOFIFA amin'ny fanapariahana ny voka-pikarohana vitan'izy ireo ny Fanjakàna Malagasy. Nampahafantarina androany ny karazam-bary vaovao "Besalohy"... ♦ Namoaka ny andiany Fanilo sy Mahefa ny Sekoly ambony ESDES. Hentitra ny tale jeneralin'ny BIANCO, nampitandrina sy nanentana ireo tanora mba tsy ho voasarika amin'ny kolikoly...
♦ Miakatra fitsaràna eny Anosy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ora vitsivitsy izay no efa nandeha ny fotoam-pitsaràna azy, momba ny resaka fanomezana baiko hampiasa hery tamin'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taon-dasa... ♦ Nomena 15 andro hialàna eny amin'ny toby fiantsonana Fasankaràna ireo mpitatitra miasa eny an-toerana. Nasaina hifindra eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona izy ireo... ♦ Hafainganina ny fanomezana ireo hetra anjaran'ny Faritra sy ny Kaominina misy ny toeram-pitrandrahana vaventy eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
♦ Hisokatra anio eny Iavoloha ilay dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana karakarain'ny fitondram-panjakàna. Mpanao pôlitika sy Firaisamonim-pirenena maro no handrasana handray anjara amin'izany... ♦ Antsojay ny fampiatoana ireo mpitsara telo eo anivon'ny PAC amin'ny asany, hoy ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara. Nametraka fitoriana teny amin'ny Filan-kevi-panjakàna izy ireo, omaly... ♦ Vola 800 tapitrisa Dôlara no tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna eto Madagasikara isan-taona, noho ny hosoka sy ny kolikoly. Efa 5% amin'ny harin-karena faobe izany...
♦ Mahatratra 800 tapitrisa Dôlara isan-taona ny vola tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna, noho ny osoka ara-ketra sy ny kolikoly eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nifanakalo hevitra tamin'ny tanora momba ny fandraharahana ara-pambolena eny ambanivohitra ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo androany... ♦ Nilaza ny filohan'ny SMM fa antsojay no natao, nampiato mpitsara telo tamin'ny asany, ka nametraka fitoriana fangatahana ny hanafoanana sy hampiatoana ny fampiharana io fanapahan-kevitra io ny SMM...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco