♦ Nakatona vonjy maika ny Université Antsiranana nanomboka omaly hariva, noho ny savorovoro nisy teo amin'ny samy mpianatra... ♦ Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina, tato anatin'ny 24 ora farany tao Antananarivo-renivohitra sy ny manodidina... ♦ Tsy ho tratra amin'ny taona 2027 ny fahavitan-tena ara-bary ho an'i Madagasikara noho ny antony samihafa ; azo antoka kosa ny hatratrarana izany amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Niverina nidina an-dalambe ireo mpianatry ny Lycée tany Frantsa, izay mitolona amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...
♦ Namoaka hafatra ny Vaomieran'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana (Justice et Paix), taorian'ny fivoriana nataon'izy ireo ny faha-13, 14 oktobra 2026 teo... ♦ Tsy afaka mifaninana amin'ny tsena anatiny, sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny vokatra Malagasy, raha tsy manaraka ny fenitra. Isany nivoitra izany tamin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fanarahana ny fenitra omaly... ♦ Mavitrika amin'ny asa fikarohana ary mahavita zavatra tsara ny tanora Malagasy, rehefa volena ao aminy ny kolontsaina momba izany. Hita taratra teo anivon'ny ivon-toerana fampianarana ambony ISPM izany...
.Ny Soratra Masina dia mampatsiahy fa Andriamanitra no tompon'ny aina, ka tsy azon'ny olona potehina araka izay sitrapony. Ny didin'Andriamanitra "Aza mamono olona" dia tsy fandraràna tsotra fotsiny fa fanambarana fa masina ny ain'ny olona. Satria fitahiana sy lova ny aina dia mitaky fiarovana amin'ny herim-po.. Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Namoaka hafatra ny Vaomeiran'ny Eveka momba ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na ny Justice et Paix, taorian'ny fivoriana nataon'izy ireo ny 13 sy 14 ôktôbra 2026... • Zo fototra ho an'ny olona tsirairay ny misitraka sakafo sahaza azy. Isan'ny navoitran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo izany androany, nandritra ny fanakalazana ny Andro Eran-tany ho an'ny Sakafo, teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina... • Tsy afaka mifaninana amin'ny tsena anatiny sy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny vokatra malagasy raha tsy manaraka fenitra. Isan'ny nivoitra izany tamin'ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho fanarahana ny fenitra...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco