Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ;  teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Namory vahoaka teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fikambanana Ambalambahoaka nanamarihana ny datin'ny 14 oktobra. Nanambara ny mpitarika fa natao tohatra fiakarana izy ireo teo aloha ka tokony hohenoin'ny fitondrana amin'izay ny feony... ♦ Mitaky ny hananganana ny rafitra Fokonolona ny vovonana ho an'ny femerenan-kasina ny Fokonolona (VFKF) sy ny Hetsika Kristianina ho an'ny Fampiraisana ny Firenena (HFKF)... ♦ Mitaky ny hamerenana ny tany 665 Ha amin'izy ireo ny Fikamban'ny Tantsaha Faharetana (FITAFA) ao Morarano Arivonimamo. Nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna izy ireo nitaky ny zony...

Tsy kisendrasendra ny fisian'ny olombelona, ny tsirairay dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fisiana. Notiavina sy nokasain'Andriamanitra hivelona ny olona, amin'ny alalan'ny aina. Ny antso ho amin'ny fisiana anefa dia tsy antso hivelona irery fa noforonina ho amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Hoentina amintsika ny akon'ireo hetsika samihafa nentina nanamarika ny datin'ny 14 ôktôbra, nijoroan'ny Repoblika Malagasy... • Nanatanteraka hetsika manoloana ny olana ara-tany ny Fikambanan'ny Tantsaha Faharetana, na FITAFA, ao Morarano Arivonimamo... • Manana fahaiza-manao tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fikarohana ataony ny tantsaha mpamokatra, rehefa omena azy ny fahafaha-manao momba izany. Nivoitra izany nandritra ny dingana famaranana tamin'ny fifaninanana TSINJORANO, natao teny amin'ny CFAMMA Nanisana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...