Ny Eglizy dia nahazo fahefana avy amin'i Jesoa Kristy hanao didy. 1- Mankamasina ny andro fety natokan'ny Eglizy hoamasinina. 2- Mamonje Lamesa na ny fanompom-pivavahana amin'ny andro alahady sy amin'ny andro fety natokan'ny Eglizy hohamasinina, raha tsy misy antony lehibe. 3- Manambarà amin'ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra, na dia indray maka isan-taona ihany aza. 4- Manaova Komonio tsara amin'ny vanin'andro fankalazana ny Paka.
5- Mifadia hanim-be, ary mifadia hena amin'ny Alarobian'ny Lavenona, sy ny Zoma Masina. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.

29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.

• Hivoaka amin'ny 25 avrily 2025, raha tsy misy ny fiovana, ny didim-pitsarana momba ny fampiakarana ny raharaha nanamelohana ny mpitarika ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga sy ny Filohan'ny Seces Sampana Antananarivo, Profesora Sammy Grégoire... • Hisy tetikasa lehibe, hovatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena vola, ao an-drenivohitra momba ny fanamboarana ny fantsona fanariana rano. Voakasik'izany ny toerana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dalana, ka antony tsy maintsy hamindrana azy ireo, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Nanambara androany ny Ben'ny Tananan'Ambohidratrimo fa tsy nisy fisamborana sy fampidirana am-ponja azy. Tetika politika nataon'ny mpifaninana taminy resy tamin'ny fifidianana, hanilihana azy ireny, araka ny fanazavany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...