• Manahy ny amin'ny fahasalaman'ny Kolonely Fanampera ankehitriny ny fianakaviany, satria nambaran'izy ireo fa mihinana fanafody isan'andro izy... • Miantso fifampiresahana amin'ireo mpisehatra politika rehetra momba ny fanomezana toromarika, amin'ny fananganana fikambanan'ny Mpanolotsain'ny Tanana sy ny Ben'ny Tanana isaky ny Distrika, ny KMF CNOE... • Hikalo ireo hiram-bavaka tsy afaka am-bavan'ny maro ao anatin'ny Fihirana FFPM, ry Rija Ramanantoanina sy ny namany...
28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.
• Mitaky ny hamotsorana ny Kolonely Fanampera, ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nametraka fepetra mialoha amin'ny fihaonana amin'ny solontenam-panjakana tonga any Toliara amin'izao, izy ireo... • Nisy tamin'ireo mpanamboatra finday amoron-dalana eny Analakely no nosamborina, anatin'ny fandaminana eny an-toerana. Fiaran'izy ireo maromaro koa no nahiditra valan-tsazy... • Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny Lalam-pirenena. Fiara mpitatitra iray no voasakana tamin'ny Lalam-pirenena faha-4, ka nitarika fahasimbana goavana...
♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco