♦ Naneho hevitra momba ny zava-nitranga tamin'ny alahady teo, taorian'ny fivorian'ny OMC Reg ny Prefet an'i Toliara. Miantso ny vahoaka ao Toliara hanaja ny lalàna velona sy manan-kery izy. Miantso fifampiresahana sy firaisan-kina eo amin'ny samy vahoaka ny governoran'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Tetik'asa Tanamasoandro, tsy ampy ny tatitra ataon'ireo iraky ny fitondrana mamolavola ny tetik'asa hoy ny Ben'ny Tanàna ao Imerintsiatosika... ♦ Hiaro ny teny nataon'ny fitondràna momba ny fanjariantsakafo ny solontenan'i Madagasikara mandray anjara amin'ilay fihaonambe eran-tany momba ny fanjariantsakavo hatao any Paris...
27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.
26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.
• Nahazo “Recteur Majeur” vaovao ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. I Mompera Fabio Attard no nanankinana izany andraikitra izany nandritra ny fifidianana natao tao anatin'ny “Chapitre Général faha-29”... • Terena hampiasa kaontera aloa mialoha ny Kaominina Imerintsiatosika. Nisy ny iraky ny JIRAMA tsy mitondra taratasy fampahafantarana mirakitra izany tonga teny an-toerana, hoy ny Ben'ny Tanana Parisoa Andriambololonarivo... • Nivory androany ny Fikambanan'ny Zanak'i Sakalava sy ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Tapaka nandritra izany fa halamina rahampitso ny toerana hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco