Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Nankalazaina androany teny amin'ny UCM Ambatoroka ny Andro natokana ho an'ny Ivon-toerana sy Sekoly Fampianarana Ambony Katolika, na ny Journée ESS CATHO, andiany faha-4... • Manodidina ny 40%-n'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona nanaovana fanadihadiana, izay mampiasa ny Internet, no efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny alalan'ity teknolojia ity... • Niavaka ny nanamarihan'i Madagasikara ny andron'ny omaly 3 marsa, izay Andro Afrikana ho an'ny Tontolo Iainana...

• Hivoaka ny Lapan'i Iavoloha indray ny filankevitry ny Minisitra amin'ity herinandro ity. I Mahajanga no handray izany, araka ny nampahafantarina omaly... • Haverina hodinihina eo anivon'ny Filankevitry ny tanana, ny momba ny orinasa SMGD, mitantana ny fidiram-bolan'ny Kaominina Antananarivo... • Samy manana ny heviny ireo mpanabe momba ny fanovana ny laza adina CEPE ho isaky ny CISCO. Misy ireo milaza fa hampidina ny fari-pahaizan'ny ankizy izao fanapahan-kevitra izao...

Manana ny anjara toerany ny Teny Malagasy sy ny fitenim-paritra : eo amin'ny tsirairay izay afahana maneho ny maha-izy ny tena izany hoe anambarana ny fiaviana ; eo amin'ny fiaraha-monina izay fitaovana sy paik'adim-piatiana hidirana amin'ny fiaraha-monina hafa ; eo amin'ny firenena dia vata fitehirizana ny kolonttsaina izay entina mampita ny soatoavina amin'ny taranaka mifandimby ; eo amin'izao tontolo izao, araka izay voafaritra eo anivon'ny UNESCO dia taom-polo (2022-2032) mamaritra fa fitaovana sy fanohitra amin'ny fampandrosoana mateza ny tenin-drazana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...