• Nify efatra an'ilay tovolahy kely zanaky ny tompon-trano voatafika teny Ambodiafontsy, no nongotan'ireo jiolahy nandritra ilay fanafihana, ny alakamisy teo. Efa niaiky ny helony izy ireo, nandritra ny fanadihadiana... • Tafakatra 79 miliara Ariary ny vinavinan'ny teti-bola hampiasain'ny Kaominina Antananarivo, ho an'ity taona 2025 ity. Handalo ny fankatoavan'ny Mpanolotsain'ny tanana ny momba izany... • Tsy resaka bozaka loatra, fa ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona no anisan'ny tsy hahazoan'ny Kianja Mahamasina “homologation”, hoy ny K2HB...
04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Natao veloma farany teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany, ny nofo mangatsiakan'i Haja Ramaherijaona, Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy... • Misy ireo hetra tsy miditra ara-dalana ao amin'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Olana tsy hahazoan'ny kianja Barea Mahamasina fankatoavana avy any amin'ny CAF, ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'ny Federasiona, hoy ny K2HB...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco