♦ Mizotra mankany amin'ny taona fotsy ny eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Tsy azo ialàna intsony ny fikatsoan'ny fampianarana, raha toka ka tsy mandray andraikitra ny fitondram-panjakaàna hoy ny SECES Sampana Antananarivo, omaly... ♦ Velona ahiahy ireo eny anivon'ny sekoly tsy miankina amin'ny fiomanana hidirana amin'ny taom-pianarana vaovao. Tsy mbola misy lamina mazava voaran'izy ireo momba ny ho tohin'ny fanovàna amin'ny tontolon'ny fampianarana... ♦ Nilaza ho tsy afapo tamin'ny firafitry ny lisi-pifidianana ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mifanalavitra amin'ny antontanisa navoakan'ny INSTAT hoy izy ire ny antontanisa nambaran'ny CENI ao anatin'ny lisitra...

Ny Eglise miara-dia maneho ny fiaraha-misalahy, fiarahana manatratra tanjona iray.  Rehefa tsy miara-dia dia trotraka eny an-dalana ; toy ilay zaza mpandany izay trotraka noh ny fisitahany tamin'ny ankohonany, ary ny zokiny lahy dia nisitaka tamin'ny fiombonana ao amin'ny rainy. Fepetra tsotra amin'ny fifandraisana ao an-tokantrano : fifampitokisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

22 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Fianakaviana tsotra no misy an'i Vero sy Tina. Niady hevitra ny fomba hanatsarana ny fanabeazana ny zanak'izy ireo i Rasoa sy Randria. Nandresy lahatra an'iireo zanany roa vavy i Rasoa reniny mba tsy hanafina izay olana misy eo amin'ny fianan'izy ireo, na ny fandaharam-potoana any an-dakilasy fotsiny aza. 20 taona taty aoriana dia nifankahita indray i Tovo sy Rasoa izay vadin'i André. Mpinamana akaiky hatramin'ny mbola kely i André, Tovo ary i Rasoa. Nitamberina tsikelikely ny zava-nisy, indrindra ireo fiainam-pitiavana tamin'ny fahatanoràna satria nifankatia i Rasoa sy Tovo... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...