2 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

♦ Miantso ny fanjakana hamaha ny olan'ny CNaPS, mampikatso ny fadehanan-draharaha tato anatin'ny iray volana, ny Sendikàn'ny Vondron'ny Mpiasa sy ny Mpampiasa. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitokonana atao... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olana mahazo ny mpiantsehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo. Am-piandrasana ny sonia fankatoavana ny fahafahana manafatra katsaka avy any ivelany ny vovonan'ireo mpiantsehatra na ny IPA Madagasacar...

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 12, 1-13)

Tsy mba tahaka ny mpaminany hafa i Môizy; ka nahoana ianao no tsy matahotra ny hanome tsiny azy?

Tamin’izany andro izany,
i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Moizy
noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady,
fa nanambady vehivavy Kosita izy.
Hoy izy ireo:

“Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no efa nitenenan’ny Tompo?
Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va Izy?”

Ren’ny Tompo izany.
I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra,
mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin’ny tany.

Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria ny Tompo nanao hoe:

“Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-tranolay fihaonana.”

Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy
ary ny Tompo nidina tamin’ny andry rahona,
ka nitoetra teo am-baravaran’ny tranolay.
Niantso an’i Aarôna sy i Maria Izy,
dia nandroso izy mianadahy ireo; ary hoy Izy hoe:

“Henoy tsara izao teniko izao:
Raha misy Mpaminanin’ny Tompo eo aminareo,
dia fahitàna no isehoako aminy,
ary nofy no itenenako aminy.
Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko;
ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho,
fa tsy aman’ohatra,
dia mijery ny endriky ny Tompo izy.
Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko,
dia i Môizy?”

Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’ny Tompo,
ka lasa Izy.

Ny rahona niala teo ambonin’ny tranolay.
Ary indro i Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala.
Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.
Ary hoy i Aarôna tamin’i Moizy:

“Aoka re, tompoko,
mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana
sy mahameloka anay izany.
Aoka re, tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy;
ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.”

Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:

“Ry Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, sitrano izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 12-13

Iantrao izahay, ry Tompo, fa nanota taminao!

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako!

Izay lazainao tokoa no hany marina.
Raha mitsara ahy Ianao, ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko!

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)

Ny voly rehetra tsy ambolen’ny Raiko dia hongotana.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona an’i Jesoa
ka nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovan-tsofina,
fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina?”

Ary rahefa nasain’i Jesoa hanatona Azy ny vahoaka,
dia hoy Izy taminy:

“Hainoy, ary fantaro:
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona.”

Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba;
ka raha misy jamba mitari-dalana ny jamba,
dia hianjera any an-kady izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanome toromarika ireo lehiben'ny Distrika sy ny Préfet, ny Minisitry ny Atitany, hidina ifotony hanazava ny zava-bitan'ny fitondrana. Fampiasana ny fahefam-panjakana amin'izao mialoha ny fifidianana izao izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Olona 22 no nahiditra am-ponja vonjimaika, noho ilay raharaha fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, tamin'ny fanadinana Bakalôrea farany teo... ♦ Mbola tsy voavaha ny olana ao amin'ny CNaPS, na teo aza ny fehin-kevitra niraisan'ny mpiasa sy ny Minisiteran'ny Asam-panjakana, ny herinandro teo, toy ny Randrana Sendikaly...

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...