Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 4b-15)

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao.

Tamin’izany andro izany,
rafitra nitomany indray ny zanak’i Israely nanao hoe:

“Iza re no mba hanome hena hohahinay?
Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta,
ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova.
Izao kosa maina ny ainay;
tsy misy na inona na inona intsony;
tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.”

Nitovy amin’ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny.
Nihahaka nanangona azy ny vahoaka,
dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoambary,
na nitoto azy tamin’ny laona,
dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy.
Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.
Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby,
no nilatsahan’ny mana ao koa.

Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviana
avy eo am-baravaran-dainy.
Nirehitra mafy ny fahatezeran’ny Tompo.
Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’ny Tompo hoe:

“Nahoana no dia nasiana izao ratsy izao ny mpanomponao,
ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho
ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?
Izaho va notorontoronina ity vahoaka ity,
ary izaho va no niteraka azy,
no dia izaho no ilazanao hoe:

‘Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono,
ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?’

Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao?
Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe:

‘Omeo hena izahay hohaninay.’

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao,
fa mavesatra amiko loatra.
Koa raha izao no ataonao amiko
mihanta aminao aho raha mahita fitia eo imasonao,
vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 12-13. 14-15. 16-17

Kinanjo ny oloko tsy mihaino,
i Israely manosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany,
hanaraka tsara izay sitra-pony.

Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy.
Dia ho noreseko ny fahavalo,
ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Ireo mpankahala ho nandadilady,
ho nanaiky resy tanteraka izy!
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy.

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nitso-drano ny mofo dia nomeny ny mpianany ary nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa,
dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra
fa rahefa nahare izany ny vahoaka,
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka,
ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro:
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.”

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.”

“Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny hoe asa an-terivozona dia asa tsy hananana fahafahana, tsy afahana mamorona, asa lavitry ny fahamendrehana. Ny fahafahana nentin'Andriamanitra dia fanafahana ny vahoaka tsy hanompo mpanjaka fa hanompo an'Andriamanitra. Ny asa an-terivozona dia asa tsy afahana mihary sy miaina ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

1 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

Maty vao tsy ela ny renin'i Fitia, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra. Nihidram-bola tany amin'Ingahy Robert ny fianakaviny niatrehana ny fitsaboana ary very hevitra izy mianaka mba hamerenana izany. Nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fianarany i Fitia fa hanampy ny rainy. Niasa tao amin'i Ramatoa Vola, nanao ny asa fanadiovana sy fakana rano ary ny fanasan-damba. 

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...