♦Mbola tsy voafaritra aloha hatramin'izao na ho tanteraka na tsia ny famerenana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina any amin'ireo kaominina izay nahitàna olana, nandritra ny fifidianana farany teo... ♦ Nanjombona tsy toy ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly voalohan'ny volana mey ho an'ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE... ♦ Nandrombaka medaly volamena 20 isa ny atleta Malagasy fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika natao tatsy Maurice... ♦ Mangata-bavaka amin'ny Kristianina, indrindra ny mpino katôlika, ireo kardinaly mivory ao Rome ankehitriny mba ho tontosa saoamantsara ny "conclave" izay ho atrehan'izy ireo...
♦ Lanonana tsotra tao anatin'ny hafaliana no nitsenan'ny Fianakaviambe Salezianina an'ny Mompera Innocent Bizimana. Izy izay voafidy ho mpanolontsaim-paritry ny fikambanana Salezianina aty amin'ny faritra Afrika-Atsinanana sy atsimo... ♦ Fanombohan-javatra ihany ny omaly 1 mey fa mitohy ny tolona, hoy ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara (SSM)... ♦ Mandray ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 2025 ny any Morondava, Faritra Menabe. Haharitra telo andro ny fanamarihana...
02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.
Misokatra amin'ny rehetra ny Eglizy, nefa kosa entitra. Natao ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny maha eo ny Eglizy ho lalana sy famantaram-pamonjena ho an'ny mpino dia tsy azo ihodivirana fa tsy sanatria tsy laharam-pahamehana na tsy manan-danja. Mijoro ho vavolombelona maneho hatrany ny hatsaran'ny Eglizy, ny fahamasinany sy ny fitiavany ny Kristianina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco