• Hiditra anio tolakandro eo anelanelan'i Brickaville sy i Fenoarivo Atsinanana, ilay rivodoza Faida... • Tsy tanteraka ny hetsika saika notanterahan'ny mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nikasa ny handray fitenenana teo anatrehan'ny Minisitra izy ireo, nandritra ny fananganan-tsaina... • Mihena isan-taona ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy ny 90%-n'ny rano ilain'ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mihatototra ny eny an-toerana noho ireo olana samihafa...

Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.

Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Andrasana eo anelanelan'i Sainte Marie sy i Brickaville rahampitso maraina, ny fidiran'ilay rivodoza Faida an-tanety... • Olana sedrain'ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy rano an'Antananarivo sy ny manodidina, ny atsanga sy ny fiorenan'ny foto-drafitrasa manakaiky azy... • Miankina tanteraka amin'ny fomba fiasa, izay tena ilana ezaka lehibe, ny hahazoana vokatra tsara, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Razafimamonjy Fenosoa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...