12 marsa — Mety ho gaga ianao fa matetika miverimberina ny anarana hoe Grégoire. Maro tokoa ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Grégoire fa amin'ity andro anio ity dia i Grégoire Lehibe na ny papa Grégoire le Grand no ankalazain'ny Fiangonana.

Tamin'ny fitsanganan-ko velona no namalian'ny Ray ny vavak'i Jesoa nandritra ny fijaliany ; ny vavaka nataon'i Jesoa dia azontsika alina tahaka noho vavaka nataony izay feno fifandraisana sy fahatokisana lalina ny Ray, ary vavaka ho an'ny olona rehetra. Tiantsika i Jesoa, porofon'izany ny nanolorany ny aina ... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Mitana ny laharana faha-83 amin'ireo firenena miisa 167 nanaovana fanadihadiana ny firenena malagasy, amin'ny fampanjakana ny demokrasia... • Mbola manjaka ny ady tany sy ny fibodoana tany ankehitriny... • Voatana ny datin'ny androany 11 marsa 2025, nanombohana ny asa fanotofana ny lalana mihazo ny tananan'i Ivato...

• Nalefan'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly eny Tsiafahy avokoa, ireo zandary 6 voarohirohy tamin'ilay raharaha “cocaïne” tany Nosy-Be Hell-Ville, raha eny Antanimoro kosa ireo sivily miisa 4... • Ny DREN no hiandraikitra ny fanadinam-panjakana CEPE, amin'ny fandrafetana sy ny fisafidianana ny laza adina avy amin'ny CISCO tsirairay. Mandrindra ny asa manerana ny nosy kosa ny Minisitera foibe...• Mihamaro ireo mpamitaka ara-bola, ary maro ireo mpitaona ara-bola izay misandoka, ka hiompana amin'ny fanabeazana ara-bola manerana ny nosy, ny fanamarihana ny Herinandro Maneran-tany ho an'ny Vola, na ny Global Money Week...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...