• Niditra an-tanety tany amin'ny 70 km avarata atsinanan'i Itampolo ny ivon'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 1 ora maraina teo. Hamakivaky ny tapany atsimo izy ary hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva... • Marihina anio 15 marsa ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Zon'ny mpanjifa. Any Antsirabe ny ivon'ny fankalazana, ho antsika eto Madagasikara, izay karakarain'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Fivoriamben'ny COI : Efa vonona ireo pitsopitsony handraisan'i Madagasikara ny adiany faha-5, ny 23 sy 24 avrily 2025...

15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.

• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...

• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...