Nampikaikaika ny maro ny tsy fisian’ny orana nandritra ny volana maromaro. Nandrasana nandritra ny volana novambra, desambra, fa tsy nisy na dia herikerika kely aza. Maina ny tany, nilaharana ireny toeram-pantsakana ireny, nampitaraina sy nampijaly ny mponina ny filaharana rano hatramin’ny roa ora maraina, nikatso ny fambolena, taraiky ny fotoam-panetsana. Nigadona ny janoary. Indro fa tonga ilay nandrasana hatry ny ela. Vao indray nirotsaka nandritra ny ora vitsy anefa ny orana ho an’ny tao andrenivohitra, dia dibo-drano avokoa izay rehetra naleha.
03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco