♦ Mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Etazonia sy i Madagasikara ny hetsika "One Country, One Day" izay notanterahina omaly... ♦ Mpianatra miisa 68.000 no niatrika ny CEPE Katôlika, omaly tany amin'ireo diôsezy rehetra manerana ny nosy... ♦ Mankalaza ny herinandro eran-tany ho an'ny fanabeazana i Madagasikara nanomboka omaly, hatramin'ny 2 jona izao... ♦ Manohy ny fitsidihana ataony any Afrika ny Ministra Rosiana misahana ny raharaaham-bahiny Sergeui Lavrov. Tany Burundi izy omaly...

Ny fifampizaràna dia endrikin’ny fiaraha-miaina sy firaisakina. Araka fampianaran’ny Eglizy katolika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy ao amin’ny laharana 328: ny harena na dia ara-drariny aza ny fanana azy, dia mitana mandrakariva ny hoe natao hoan’ny olona rehetra izy. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

♦ Mpiadina 6 alina mahery avy amin'ny Sekoly Katôlika manerana ny Diôsezy rehetra eto Madagasikara, no niatrika ny CEPE Katôlika, androany... ♦ Mikaon-doha mandritra ny roa andro ety Ivato, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny OMS ary ireo ray aman-dreny ara-drazana to-teny, mikaroka ny fomba handresena lahatra ny ray aman-dreny, hanao vakisiny ny zanany... ♦ Tsy mandray anjara amin'ny fitsirihana ny rafi-baiko sy ny lisitry ny ho mpifidy, miainga amin'ny antso nataon'ny CENI, ny Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an'ny Firenena na ny HFKF...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...