Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 5, 1-4a)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony;
ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-6. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao, homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 5-10)
Ry kristianina havana,
rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe:
“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe:
Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!”
Voalohany aloha lazainy hoe:
Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,
— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:
Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao;
ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao;
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faha-3 — Taona D fiavian’ny Tompo : Tsy mba mandao andriamanitra, fa fitiavana ; Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo dia antsoina hoe " alahadin'ny hafaliana", manamafy izany ny tononkira fidirana amin'ity alahady ity manao hoe "Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo! ". Ny filipianina dia fiangonana natsangan'i Masindahy Paoly, izay nohankaherezin'ity farany mba hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo. Ohatra lehibe ho antsika i Masindahy Paoly, mifaly foana na misy sedra, ary miaina ny finoana, izay koa no maha kristianina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco