1 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

♦ Nitana ny teny nomeny, ka nidina teny amin'ny Kianja 13 mey androany, Rakoto Samuel Doris, vadin'i Malama. Afaka nody izy raha voasambotra kosa ny mpiara-dia aminy iray... ♦ Niisa valo irao raharaha namoahana tsy fahazoan-dalana mivoaka an'i Madagasikara na IST, araka ny tatitra nataon'ny PAC androany... ♦ Olona iray isaky ny 4 segondra no maty, vokatry ny fifohana sigara, maneran-tany. Mbola antony voalohany mahafaty ny fifohana sigara, saingy azo sorohana izany...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 3, 1-11. 24-25)

Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.

Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

“Marina Ianao, ry Tompo,
marina avokoa ny fitsaranao,
antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra.
Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho,
aza valianao ny ratsy nataoko,
ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an’ny razako.
Fa tsy nankatò ny didinao izahay,
ka natolotra ho amin’ny fandrobana,
ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana
sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana
eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.
Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao,
satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay,
sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao.
Koa amin’izao, ry Tompo ô,
ataovy izay sitra-ponao amiko,
ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko
fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”

Tamin’izay andro izay ihany koa,
tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda,
dia nandre, ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizivavin-drainy azy,
i Sarà zanakavavin-dRagoela.
Fa lehilahy fito no samy efa namoahana azy ho vadiny
nefa nisy demony anankiray atao hoe i Asmôdea namono an’ireo,
raha vao handeha taminy izy.
Ka raha niteny an’ilay ankizivavy iny izy,
noho izay hadisoany anankiray izay,
dia izao no navalin’io azy:

“Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana,
ry ilay mpamono vadinao;
tadiavinao hovonoina aho
toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao.”

Raha nandre izany teny izany i Sarà
dia niakatra tany an’efitranon’ny tranony ambony rihana,
ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro;
fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso
mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baràka izany.
Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra
ireo fitalahoana roa ireo.
Ny Anjely masin’ny Tompo, i Rafaela,
no voairaka hanasitrana an’i Tôbia sy i Sarà,
fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9

Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko.

Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko:
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko!
Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra;
ny mpivadika tsy amin’antony no ho azon-kenatra.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao, ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava, manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina
sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty,
dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy,
amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hatomboka amin'ny fananganan-tsaina hiarahan'ny rehetra, sy ny firedonana ny hiram-pirenena, eny anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely rahampitso, ny fanamarihana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tena... ♦ Misy zavatra manjavozavo iniana apetraka anatin'ilay Fifanarahana momba ny fitsipi-pitondran-tenan'ny mpanao politika, izay nataon'ny FES sy ny fiaraha-monim-pirenena, dia ny fivoizana fifanarahana ara-politika hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Freedom, ka antony tsy nanaovany sonia izany... ♦ Fitaovana iray hanangonana ireo fampitam-baovao momba ny fitantanana sy ny ady amin'ny kolikoly ny SIIGAC. Arindra sy ampifanarahina ny asa ataon'ireo rafitra miady amin'ny kolikoly, miainga amin'ity fitaovana ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...