♦ Nakotroka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy omaly teny Anosy, nitarika izany ny vadin'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hanomboka ny fanarenana ny tanànan'i Toamasina, raha ny vonjy voina maika no natao tao anatin'izay iray volana izay, hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika tany Toamasina ny sabotsy teo... ♦ Miha-mitombo ny herisetra ara-nofo mianjady amin'ny vehivavy mpiasa eny amin'ny toeram-piasàna eto Madagasikara hoy ny FISEMARE... ♦ Nafana ny fifandonana, teo amin'ny Hezbolah sy ny commando an'ny tafika Israeliana tany Nabi Chit, alina...

Zava-dehibe ny fiainan'ny fianakviana, voatondro mazava ao anaty litania fa i Masindahy Joseph no lohan'ny fianakaviana masina. Ny lehilahy loham-pianakaviana rehetra dia entanina haka tahaka an'i Masindahy Joseph, amin'ny fahaizana mitantana ny fianakaviana sy amin'ny fahatsorana. Manana adidy ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanaka amin'ny lafiny rehetra. Ny fiainam-pianakaviana dia tsara kokoa raha ombana hafaliana sy fifampiresahana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 08 martsa 2026. Alahady fahatelo - taona A - KAREMY - Mahatoky Andriamanitra : Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony. Ny fatsakana dia toerana fihaonan'ny lehilahy sy ny vehivavy izay mitondra hatrany amin'ny fanambadiana ; ohatra ny fihaonan'i Jakôb sy Rasely, araka ny hita ao amin'ny bokin'ny Jenezy. Vehivavy manana olana maro, tandindon'ny olombelona rehetra anaty sedra sy sarotra ilay samaritana tafaresaka tamin'i Jesoa, anefa tojo fanantenana izy noho ny fahatokiana an'Andriamanitra miseho amin'ny alalan'ny Zanany...

... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...