• Hampiantrano ny Kintana Maintin'i Ghana, any an-tanin'olona afaka ora vitsy, ny Barean'i Madagasikara... • Namoaka ny tatitra vonjy maika vokatry ny rotsak'orana eto Analamanga nanomboka ny 22 hatramin'ny androany 24 marsa 2025, ny Minisiteran'ny Atitany sy ny BNGRC... • Misy ireo sekoly mbola hampiato ny fampianarana ho an'ny rahampitso...
• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...
• Vaky androany vao maraim-be ny fefilohan'i Sisaony eny Ambohidava, Kaominina Ampitatafika. Mety ho anton'izany ny fiakaran'ny rano mihoatra ny fetra farany eny amin'ity renirano ity, nanomboka omaly... • Hanao antso tolo-bidy ho an'ireo mpisehatra vonona ho “Comptoir de l'Or” ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany sy ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Nihaona tamin'ny Minisitra mpiahy ny solontenan'ireo mpiasan'ny fahasalamana. Noresahana ny famahana ireo olana nahatonga hetsika fikasana hampiato ny asa eny amin'ny hopitaly, ny herinandro teo...
‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco