♦ Vavolombelon'ireo vanim-potoana nolalovana teo amin'ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-piangonana ary mbola vonona hiatrika ireo fanamby manoloana ny fivoarana amin'ny tontolon'ny serasera ny Radio Don Bosco amin'ny 30 taona izao... ♦ Handray ny tambin-karamany volana mey mialohan'ny 26 jona ireo mpiasa miandraikitra ny fanoratana anarana biométrique, mbola tsy nisitraka izany... ♦ Homen-danja ny hevitry ny eny ifotony sy ny Malagasy manoloana ny olana ara-tany izay tena mampikaikaika ny Malagasy, hoy ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany...
Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay no fanohitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Isaky ny manao fanamarihana sy fankalazana ny fitsingerenan'ny taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara dia misongadina hatrany ny teny hoe "fitiavan-tanindrazana". Ny atao hoe fitiavan-tanindrazana dia azo adika ho fitiavana an'i Madagasikara ; azo haseho amin'ny alalan'ny fitafiana, fiteny, kolontsaina, fanabeazana na zavatra na toetra amam-pihetsika hafa maneho ny maha Malagasy ny fitiavana ny Tanindrazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hisokatra ho anao mpihaino sy mpankafy anio alarobia 24 jona ny onjam-peo Radio Don Bosco mandritry ny Porte-Ouverte manomboka amin'ny 8ora sy sasany maraina... ♦ Nanomboka niverina niasa tsikelikely ireo fiara fitateram-bahoaka ho an'ny androany maraina, taorian'ny fitokonana nataon'ireo mpamily sy ireo mpanampy ny mpamily omaly talata 23 jona 2026... ♦ Hanamafy ny fanaraha-maso ny entana lany daty sy ny kalitaon'ny entana amidy eny an-tsena ny mpanara-mason'ny varotra mivondrona ao amin'ny Sendika SAC.C.M...
♦ Nitokona tsy niasa ireo mpitatitra amin'ny taxi-be eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo. Tonga hatramin'ny fahatapahan-dalana izany ny hetsi-pitokonan'izy ireo... ♦ Nandray fepetra manoloana ny fitokonambe ataon'ireo mpitatitra amin'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo ny fitondrana foibe. Havoaka hitatitr'olona ireo "Bus éléctrique" miantsona ao Iavoloha... ♦ Nitombo be ny isan'ireo tranga vaovaon'ny aretina nendran-drajako (MPox) tamin'ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra 86 izany, araka ny tatitry ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Lalovan'ny hafanam-be amin'izao ny any Espagne, mahatratra 42°C...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco