• Miato ny fampianarana eny amin'ny Disitrika Atsimondrano anio alatsinainy. Anton'izany ny fiakaran'ny rano, izay namoahana filazana loza miloko mena, nanomboka omaly... • Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toliara omaly. Nisy ny naratra tamin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana, nanaparitaka ireo andian'olona manohitra ny Base Tuléar... • Fahazoan-dalana maromaro, hitrandraka harena ankibon'ny tany, no nofoanana. Nisy koa anefa ny famoahana fahazoan-dalana hitrandraka sy hikaroka. Manazava izany ny Minisitra tompon'andraikitra...

24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.

24 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy— Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)

Izaho hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina.

I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:

“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’

Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)

Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no ifefeko.

Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.

Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.

Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)

Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:

“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;

ny sasany nanao hoe:

“Ity no Kristy”;

fa hoy kosa ny sasany:

“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”

Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:

“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”

Fa hoy ny navalin’ny miaramila:

“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”

Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:

“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”

Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:

“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”

Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”

Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...