Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...

♦ Hifampitaona eny Ambohipo ny ankizy Diôsezin'Antananarivo amin'ny fiandohan'ny volana jolay izao, anatin'ny fihaonamben'ny ankizy "Vahatra Diôsezy"... ♦ Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 lehibe eto Madagasikara momba ny fanatsaràna ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny vondrona erôpeana. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny Soarano izany... ♦ Hisy ampahany amin'ireo mpitatitra amin'ny taxi-be no hitokona anio, araka ny vaovao efa niparitaka. Misy amin'ireo mpitatitra anefa no tsy mitovy hevitra amin'izany... ♦ Nizotra tsara ny dinika teo amin'i Iran sy Etats-Unis natao tany Suisse momba ny ady ao Moyen-Orient...

♦ Tsy misy ny kisendrasendra hoy ny FFKM fa efa manana ny heveriny ho an'ny Tanindrazantsika Andriamanitra... ♦ Nisongadina tao anatin'ny 10 taona nijoroan'ny valaben'ny firaisankinan'ny Sendika eto Madagasikara (SSM) ny nananan'izy ireo solontena roa ao anatin'izao governemantan'ny Fanavaozana izao... ♦ Efa tafidina anelanelan'ny 1°C ny maripàna ambany indrindra eto Madagasikara amin'ity herinandro ity hoy ny météo... ♦ Nitrangana fipoahana mahery vaika, omaly hariva, tao amin'ny foibe mpikirakira "Gaz naturel" iray ao Qatar. Ankoatra ny firehetana goavana dia olona 45 farafahakeliny no naratra ary 18 hafa tsy hita...

♦ Nampahafantarin'ny FFKM omaly ny tetiandro voalahatra hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Miisa 61 ireo marary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Andranoro-Antehiroka izay voatery nentina teny amin'ny Hopitaly 3 samihafa... ♦ Misy amin'ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra no manambana ny hitokona rahampitso... ♦ Tafakatra 49 ireo departemanta any Frantsa nahazo filazana miloko mena, izay loza mihatra amin'ny hafanana be mahery vaika anio...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...