♦ Nisaraka ady sahala, iray no iray, ny Barea sy ny ekipam-pirenena Gambiana, tany amin'ny kianja Labri Zaouili, Casablanca Maroc. Lalao fifanintsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2025... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafahampo ny mpanjifa ny Orange Money sy ny banky Société Générale eto Madagasikara... ♦ Ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin'ny ady amin'ny kolikoly no lohahevitra tamin'ny loabary an-dasy tetsy amin'ny foiben'ny Bianco androany...
♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...
♦ Antoky ny fiakaran'ny lanjan'ny toekarena malagasy ny fisian'ny fitoniana ara-pôlitika, hoy ny Masoivoho britanika vaovao miasa eto Madagasikara, nandritra ny fihaonany tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Vintana farany hahafahan'ny Barean'i Madagasikara hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana CAN 2025, ny lalao hihaonana amin'i Gambie... ♦ Efatra isan-taona eo ny herisetra na fanararaotana mianjady amin'ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany, raha ny tatitra voarain'ny OJM...
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, izay voatendry ho Evekan'Ambatondrazaka... ♦ Navaozina ny kiôska momba ny torohay ara-pitsarana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo... ♦ Manome tanana amin'ny famatsian-drano ao Toamasina amin'ny alalan'ny JICA i Japon...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco