Ny fanabeazana ao an-tokantrano dia mampianatra ny zanaka ho tompon'andraikitra ; tsy misy ny fiatsaram-piainana raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra miainga amin'ny tenanao. Tsy mora ny fanovàna ny toe-tsaina fa ilàna finiavana, miainga amin'ny fampiasana ny hery anaty. Miainga amin'ny tsirairay ny fiovana. Ny fikarakarana vatana dia misy akony tsara ho an'ny saina, avy eo miitatra amin'ny fo sy fanahy, izay fototry ny fandraisan'andraikitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.
Mivavaka ho anao ary ho ahy hatrany i Jesoa, porofon'izany ny voalaza ao amin'ny Lk 22, 31-32 : Hoy ny Tompo "Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba sy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao. Ny mangataka eto dia midika hoe mivavaka... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco