Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 53, 10-11)

Rehefa nanatitra sorom-pifonana ho an’ny fanahiny izy, dia hahita taranaka, ho lava andro iainana.

Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22

Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo ahìny,
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny taona mosarena.

Izahay manantena ny Tompo
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho eo aminay matoky anao!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16)

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilantsika izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)

Tonga ny Zanak’Olona mba hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”.

Ary hoy Izy:

“Inona no tianareo hataoko aminareo?”

Dia hoy ireo:

“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”

Hoy ireo taminy hoe:

“Zakanay”.

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”.

Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 42-45)

Tonga ny Zanak’Olona mba hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

Tamin'izany andro izany,
i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:

“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...

♦ Hamatsy vola mitentina 220 tapitrisa dolara hanohanana ireo tetik'asa samihafa hamatsiana rano eto Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena... ♦ Hitambatra anaty vondrona iray ireo tanora Malagasy tia mikirakira ny resaka "Cyber criminalité" na ny eloka an'habaka mba iarovana ny osoka amin'ny fampiasana internet... ♦ Tetika politika hampandresena ny kandidà miara-dia amin'ny fitondrana ny fanokafana ny lisim-pifidianana amin'ny fahazoana ordonnance hoy ny VAMI... ♦ Manamafy ny fanoherana ny fifindra-monina mankany Etazonia ny kandidà Donald Trump... ♦ Nitohy androany ny fankalazana ny andro masina Yom Kippour any Israely, na dia mihamafy aza ny tsikera mahazo ity firenena ity ankehitriny...

♦ Tafapetraka eny amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena eny Ankorondrano ny Ivon-toerana natokana ho an'ny tanora. Nentina nanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy omaly ny fanokafana azy io... ♦ Tsy mametraka olana amin'ilay naoty navoakan'ny ministera izay mandrara ny mpitsara tsy handray olona manan-draharaha eny anivon'ny fitsarana ny SMM... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny Orange-Money sy ny ny Banky SG... ♦ Miaramila 2 teratany Srilankais avy amin'ny Funil, tafika misatro-mangan'ny firenena mikambana no naratra omaly, vokatry ny tifitra nataon'ny tafika Israeliana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...