♦ Nahitsy fanintelony ny hetran-trano ao Antananarivo-renivohitra tao anatin'ny 5 taona. Fanitsiana izay tombànana ho misy pi-maso ara-politika amin'ny mpifidy, amin'izao fifidianana ben'ny tanàna izao... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza indray ireo Solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io. Mety ho voaresaka anatin'ny fivorian'izy ireo ny fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny fepetra napetraky ny FMI... ♦ Midina ny vidin'ny lafarina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tokony ho efa 3.000Ariary eo ny kilaon'ny lafarinina vokarina eto an-toerana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH... ♦ Olona maherin'ny 370 no namoy ny ainy tao anatin'ny herintaona nisian'ny fifanafihana eo amin'i Israel sy ny Hamas...

♦ Manana kandidà ben'ny tanàna 139 amin'ny Distrika 25 ny antoko Fivoy amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ireo kandidà ireo... ♦ Efa tsy misy ahiana intsony ireo mpianatra 15 isa, izay narary tampoka tany an-tsekoly teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy ny herinandro teo...  ♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Marary ny mpanabe, izay mamolavola ny olona rehetra hisian'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fikambanana AJEEM... ♦ Feno herintaona anio 7 ôktobra ny fiverenan'ny ady mahery vaika ataon'i Israel any Proche Orient...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 15-23)

Nataony Filoha ambony indrindra i Kristy amin’ny Eglizy izay tenany.

Ry kristianina havana,
nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho,
sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’ny Rain’ny voninahitra,
Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo
ny fanahin’ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany,
famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 8, 2-3a. 4-5. 6-7

Voninahitra ho Anao, ry Tompo, izay nanome ny zavatra rehetra hozakain’ny Zanakao.

Inty aho hihira ny fiandriananao.
Ambony sy madera manoatra ny lanitra.
Ireo vao minono sy ireo zaza bodo
no he miantsa Anao ka mitory fiderana.

Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao,
ny volana, ny kintana ’zay namboarinao;
fa inona ny olona no mba tsiahivinao!
Ny zanak’olombelona e tsimbininao!

Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy.
Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy.
Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

Ny Fanahy Masina no hanoro anareo eo no ho eo izay tsy maintsy holazainareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 9-17a)

I Lioka irery no eto amiko.

Ry malala,
tongava faingana atý amiko ianao,
fa nilaozan’i Damasy aho,
noho ny fitiavany an’izao tontolo izao,
ka lasa nankany Tesalônika izy.
I Kresensy lasa nankany Galasia,
ary i Tito any Dalmatia;
i Lioka irery no eto amiko,
ka alao i Marka, ento miaraka aminao,
fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.
I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.
Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy
ao amin’i Karpôsa rahefa mankatý ianao,
ary ny boky koa,
fa indrindra ny taratasy hoditra.
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko;
ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy,
fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena;
fa nilaozan’izy rehetra aho;
enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy,
mba hanatontosako ny fitorian-teny,
sy handrenesan’ny jentily rehetra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18

Mitanisa ny voninahitry ny fanjakanao ny mpivavaka aminao, ry Tompo.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery;
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry
eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa,
na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory any an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:

‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;

ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:

‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...