Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Nahavita ny fiofanana fanao isan-taona ireo tanora mpiofana ho Saleziana manao ny fizarana asa avy amin'ireo ankohonam-piainana manerana an'i Madagasikara ; fiofanana nandritra ny telo andro...
  • Nandray ny asany ny PDS vaovao ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Asa maika hoy Andriamatoa Alexandre Georget ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra...
  • Tsy mankasitraka ny hitataovana hetra ny fandefasam-bola amin'ny alalan'ny Finday ireo orinasa miisa 3 lehibe misehatra amin'izany. Fanasaziana ny mpanjifa ny fampiharana io fepetra io hoy izy ireo...
  • Mankasitraka ny hitadiavana vahaolana ara-diplômasia miaraka amin'i Israëla momba ny ady ao Liban ny lehiben'ny Hesbolah Libanais Naim Qassem...

  • Ankizy an-tapitrisany no tsy mbola manana kôpia eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy...
  • Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS Georget Alexandre, sy ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Clara Andrianala...
  • Tsy misy fiaramanidin'ny Tafika na an'ny fanjakana ireo fiaramanidina madinika dimy sy helikôptera iray may tety Ivato, fa an'ny orinasa tsy miankina avokoa, hoy ny ACM...

  • Tanterahina eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny andiany faha-8 amin'ny tsenaben'ny fizahan-tany sy ny andiany voalohany amin'ny tsenaben'ny asa-tanana manomboka rahampitsy ary aharitra 3 andro...
  • Tafakatra 96% ny tahan'ny fanaovam-baksiy ny zaza nandritra ny hetsika faobe niisa 6 notanterahina teto Madagasikara tamin'ity taona ity...
  • Nampatsiahy ireo dingana tsy maintsy hajaina mifandraika amin'ny fandefasana hiran'ny mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny sendikan'ny kanto "SYKA"...
  • Tsy afaka handresy an'i Russie amin'izao ady izao i Ukraine raha hampitsahatra ny fanampiana ara-tafika sy ara-bola ho azy ireo ny Amerikanina hoy Volodymyr Zelensky...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...