♦ Manamafy ny fanentanana ireo maniry ny ho kandidà ben'ny tanàna ny CENI mba tsy hiandry ny fotoana farany amin'ny fanaterana taratasy eny anivon'ny OVEC... ♦ Hentitra ny fiarovana ny taratasim-panadinan'ireo mpiadina ho mpandraharaha ny fonja miisa 9.284. Fifaninanana lavitry ny kolikoly no tanjona, hoy ny tale jeneralin'ny ENAP... ♦ Misolo tena ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana izay tanterahana manomboka anio any New York, ny Praiministra Ntsay Christiana... ♦ Nampitandrina amin'ny mety hisian'ny Tsunami any amin'ireo nosikely manakaiky an'i Tokyo ny fitondrana japoney, taorian'ny horohoron-tany nahatratra 5,6 Richter...

♦ Nisafidy ny hanolotra anarana hafa ho kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo renivohitra ny TIM tohanan'ny Firaisan-kina, taorian'ny tsy fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc hirotsa-kofidiana... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy i Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka omaly ny fanadihadiana MICS-7 momba izany... ♦ Mihamafy hatrany ny olana sedrain'ny mpanjifa amin'ny famatsiana rano sy jiro. Mbola hitohy ny fanapahana jiro mifandimby... ♦ Manao ranolava ny antso amin'ny tokony hisian'ny dinika haingana manoloana ny fifanafihana eo amin'ny Hezbollah ao Liban sy ny fanjakàna israeliana...

♦ Hampitomboina ny fotodrafitr'asa hanofanana ny tanora Malagasy. Hisy lalam-piofanana vaovao, mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, ihany koa hosokafana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy isika eto Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka andraony teny amin'ny Carlton Anosy ny fanadiahadiana momba izany...

♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...