♦ Nofaranana tamin'ny sabotsy teo ny fikaonandohan'ny tanora sehatra Nasiônaly. Natolotra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny fehin-kevitra tamin'ny dinika nandritry ny 3andro. Hodinihana amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny hevitra natolotry ny tanora momba ny Fanjakàna Federaly sy Fanjakàna tokana... ♦ Hisokatra amin'ny hery velona rehetra ny dinika pôlitika hotanterahana eto Madagasikara. Santatra ihany ny fihaonana tamin'ny Filoha roalahy teo aloha... ♦ Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fisavàna natao tamin'ny toerana fivorian'ny fikambanana miafina iray ny teo anivon'ny Fitsaràna...
---/... Tazana sy tsikaritra ny zoma teo fa niova fomba fiakanjo ny ankamaroan’ny mpiasam-panjakàna nande niasa. Tsy inona ny antony mahatonga izany, fa mihatra manerana ny nosy ilay didim-panjakana noraisina nandritra ny filankevitry ny ministra ny tapaky ny volana jolay teo, momba ny tokony hanaovan’ny mpiasam-panjakàna tsy an-kanavaka ny fitafy maha malagasy isaky ny andro zoma, afatsy ireo misehatra amin’ny sokajin’asa tsy ahafahana manao izany, toa ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ohatra...
Ny Tenin'Andriamanitra dia misy fomba maro ny fanakarana azy, mety ho amin'ny alalan'ny fandinihana isan'andininy, anefa rehefa vakiana miaraka amin'ny Fanahin'i Kristy dia manokatra ny saina ary fahafahana mamantatra kokoa izay hafatra fonosiny. Nanomboka ny taona nanjakan'i Radama-II no nidiran'ny "Mena maso" teto Madagasikara ; ny hoe "Mena maso" dia niantsoana ny "Franc-Maçon". Misy sokajiny ny "Mena maso" : misy ireo mino an'Andriamanitra, misy ireo manompo an'ny satana... Ilaina ny fiombonana sy firaisan-kina hirosoana amin'ny fikaonan-doha.Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-18 mandavantaona — A — Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Aleloia. Aleloia. Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Aleloia. Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany. Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco