♦ Tontosaina mandritry ny 3 andro etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly. Lohahevitra amin'izany ny hoe : manome feo ny tanora, ho an'ny fanavaozana ny Firenena... ♦ Zo voafaritry ny lalàna notapahana tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fisitrahana tamby ho an'ny fanofana trano (Indemnité de logement) ho an'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Zazalahy kely 2 taona no maty tsy tra-drano teny Tsaramasay Ankorondrano androany maraina. Voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana...

♦ Tsy tokony hitarina ny fotoanan'ny tetezamita hoy ny filohan'ny antoko HVM. Tsy mahamaika hoy Andriamatoa Rivo Rakotovao ny firosoana amin'ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Mitohy androany ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly, tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato hatramin'ny rehampitso. Mandray anjara amin'izany ny Federasiôna ivondronan'ireo Ampanjaka sy ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Namono olona iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo araka ny tarehimarika navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoakka omaly...

Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Haravona mandritry ny 3 andro nanomboka omaly etsy amin'ny CCI Ivato ireo fehin-kevitra voahangona nandritry ny fikaonandohan'ny tanora tany amin'ny Faritra samihafa. Hatolotra ny fitondram-panjakàna sy ny FFKM izany rehefa vita... ♦ Namoaka tenimita amin'ny fomba fampiharana ny fandoavana ny tambin-karama momba ny trano fonenana ho an'ireo mpiasa eny anivon'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Foire Meva 2026 : Tontosaina ao Antsiranana mandritra ny 4 andro ny tsenabe ara-toekarena ho an'ny Faritra Diana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...