♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...

♦ Miisa fito ireo nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Enin-dahy sy vavy tokana... ♦ Tsy isan'ireo hifaninana ary tsy hanohana kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra Ramatoa Rakotomnaga Rinah... ♦ Mbola tsy anio no hifarana ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mitombo hatrany koa ireo faritra manao hetsika maneho tsy fahafaliana amin'ny tsy fisian-jiro sy rano...

♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...